Fifamoivoizana

Fiakaran’ny vidin-tsolika Efa miomana amin’ny fiakaran’ny saran-dalana ireo taxi be


  • Zoma 29 Aprily 2022

Efa miomana sahady ny amin’ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika ireo fiara fitateram-bahoaka rehetra eto amintsika. Lohalaharana amin’ireny ny taxibe,

ny fiara karetsaka ary ireo toerana misy bajaj. Ho an’ny taxibe manokana dia hanomboka amin’ny 100 ka hatramin’ny 200 Ar ny fiakaran’ny saran-dalana raha araka ny fanadihadiana natao ary tsy hisy intsony ny tapa-dalana. 600 Ar ka hatramin’ny 700 Ar eo ho eo izany amin’ny ankapobeny ho an’ireo manao saran-dalana 500 Ar amin’izao raha hahatratra hatrany amin’ny 500 Ar kosa ny fiakarana ho an’ireo taxibe somary mivoaka amin’ny toerana lavidavitra toy ny miazo an’Imerintsiatosika….Nambaran’ireo mpamily taxibe sendra anay fa mbola maivana aza io fiakarana io. Raha hampidirina ihany koa mantsy hoy izy ny fandanian’ny tompon’ny fiara amin’ny fividianana ireo karazana kojakoja izay miaka-bidy isan’andro dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 500 Ar isan’olona izany fiakaran’ny saran-dalana izany raha kely indrindra. Ho an’ireo mpamily fiara karetsaka indray dia tsy hisy intsony ny dia latsaky ny 10.000 Ar manomboka izao raha mbola nisy 7.000 Ar izany teo aloha. Velon-taraina sahady ny mpanjifa araka izany. Na ilay karama antenaina mba hiakatra aza mbola tsy fantatra nefa tsy maintsy hitombo indray araka izany ny fandaniana manomboka amin’ny herinandro ho avy io. Ho an’ireo taxibe moa dia fantatra fa alainy ao anatin’ny fampiakarana ihany koa ilay seza afovoany tsy azo hasiana mpandeha io izay fantatra fa mety hahazoan’izy ireo hatramin’ny 30.000 Ar mandrapaharivan’ny andro rehefa tena betsaka ny mpandeha.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT