Fifamoivoizana

Fiakaran’ny saran-dalana Tsy andrenesam-peo mihitsy minisitry ny fitaterana


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Tankina tsy nandrenesam-peo ny minisitry ny fitaterana nanoloana ny fampiakarana saran-dalana nataon’ireo mpitatitra izay namarana iny herinandro iny.

Nampiakatra saran-dalana daholo ny fiara fitateram-bahoaka tamin'ity herinandro ity, hoy ny fitarainan’ireo mpandeha. Tsy nisy fampahafantarana, tsy nisy fampilazana mialoha fa vao maraina dia mitsena ny olona ny fiakaran'ny saran- dalana. Tsy misy saran-dalana tapa-dalana intsony. Ny sasany sady efa 800 Ariary ny sarany mbola misy seza volamena, mbola mitondra mitsangana, mbola tsy manaja mpandeha sy ny maro hafa. Gaboraraka be, hoy ny fanamarihana. Ny tena maha vinitra dia tsy mba ahenoan-teny mihitsy manoloana ny zava-misy ny minisitra tompon’andraikitra Atoa Ranjatoelina Rolland misahana ny fitaterana. Na dia fankaherezana sy fampandriana saina ny vahoaka fotsiny aza tsy ataony, hoy ny vazivazy zary… tezitr’ireo mpanjifa. Tena fiainam-bahoakaisan’andro anefa ny fitaterana rah any eto Antananarivo no resahina. Sa ve tsy navela niteny mihitsy ingahy minisitra izay tsapa ho nangingiana izany taorian’ny fifanandirany tamin-dRamatoa Rinah Rakotomanga noho ny raharaha Air Madagascar. Mahalala ny andraikiny manoloana ny zava-misy ve ireo ambara ho tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity sa tsia, hoy ny fanontaniana isany mipetraka ?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT