Fifamoivoizana

Fiakaran’ny saran-dalana 500 ariary no tanjon’ireo mpitatitra, hoy ny RNDC


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Manohitra amin’ny heriny tanteraka ny fiakaran’ny saran-dalana ho 700 Ar manomboka amin’ny 25 aprily ho avy izao ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC tarihin’ny filohany Rabetsara Lita.

 

 Hangataka fihaonana an-databatra boribory amin’ny mpitatitra sy ny minisitera izy ireo hahafahana mijery ny marimaritra iraisana sy mampihaona mivantana ny roa tonta. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana dia mila omen’izy ireo ara-dalàna sy ara-potoana ny vola fanampiana omena ireo mpitatitra izay natao indrindra hanamaivanana ny vidin-tsolika hisorohana ny fiakaran’ny saran-dalana tahaka izao. Volan’ny mpanjifa mirotsaka any anaty kitapom-bolam-panjakana mantsy, hoy hatrany izy ireny fanampiana omena ny mpitatitra ireny. Ho an’ny mpitatitra indray, hoy izy raha tsy maintsy izay fampiakarana saran-dalana izay no tena tanjony dia tokony hampanaovina taratasy mazava eny anivon’ny faritra hiasany izy ireny mba hanajany ny bokin’andraikitra ka tsy hisian’ny fihodinana an-dalana intsony. Tokony hojerena ihany koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fampiakarana saran-dalana fa tsy izay tian’ny mpitatitra no hatao. Na izany aza anefa dia nomarihin-dRabetsara Lita fa ilay fampiakarana saran-dalana 500 Ar no tena tian’ireo mpitatitra hatao satria mitifi-danitra te hahazo  tendrombohitra izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT