Fifamoivoizana

Fetin’ny faran’ny taona Nohantitranterin’ny ATT ny fepetra ho an’ny mpitatitra


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Nihaona tamin’ireo mpitatitra miainga avy eny amin’ny Toby fiantsonana MAKI

 

 

Andohatapenaka ATT (Agence des Transports Terrestres), izay rafitra eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fitaterana omaly. Notsiahivina sy natintranterina ireo, ary nanentanana ny mpitatitra ireo teboka vitsivitsy ho fiarovana azy ireo sy ny ain’ny mpandeha. Asaina ireo : tsy handeha mafy loatra ; ho mpamily matotra sy tsy misetrasetra; tsy hampiasa finday eo am-pamiliana. Notsiahivina ihany koa fa: tsy miova ny saran-dalana rehetra manerana ny Nosy; tsy natao hitondrana entam-barotra ny taxi-brousse fa efa misy ireo fiara mpitatitra entana voatokana amin'izany ; tsy tsara ny manao dona miverina noho ny harerahan’ireo mpamily ; mampidi-doza ny mitondra fiara tsy ampy fikojakojana na koa mandray na misotro zava-mahadomelina sy toaka ; roa (2) ny mpamily raha mihoatra ny 400 km ny halaviran-dalana aleha. Ho an’ny fepetra ara-pahasalamana kosa dia: tohizana ny fampiasana « gel » na fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony - fanaovana aro vava orona ; fanajana ny elanelana 1 metatra ; tsy misy fiara mahazo miainga raha tsy voafendraka ranom-panafody ; tsy misy fiara mpitaitra olona amin’ireo zotra rezionaly sy nasionaly mahazo miainga ivelan’ny toby fiantsonana; tsy maintsy voasoratra ao anatin’ny « manifold » avokoa ny mombamomba ireo mpandeha,… hoy ny toromarika.

 

Toky R



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT