Fifamoivoizana

Feramanga Avaratra Ambato Zaza iray maty voadonan’ ny Kubota


  • Alarobia 24 Mey 2023

Zava-doza no nitranga tany Feramanga Avaratra, distrikan’Ambatondrazaka omaly talata 23 may tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro.

Ankizy mpianatra roalahy kely handeha hianatra, niampita arabe no voadonan’ ny Kubota. Teo amin'ny lalam-baovao avaratry ny tanànan'i Feramanga Avaratra, no nitrangan’izany. Namoy ny ainy teo noho eo ny iray tamin'izy ireo vokatry ny dona mafy nahazo ny lohany raha naratra mafy kosa ilay namany ka nentina namonjy hopitaly. Tsiahivina hatrany moa fa olona 10 isan’andro no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny ankizy madinika izay tokony aterina sy alaina hatrany rehefa hamonjy ny sekoly na mirava hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely iray lasibatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT