FENOARIVO ATSIMONDRANO

Olona 4 mianaka nofaohan'ny 4x4, namoy ny ainy ny iray


  • Alatsinainy 16 Desambra 2024

Olona 4 mianaka no indray nofaohan'ny fiara 4x4 tsy mataho-dalana iray teny Fenoarivo Atsimondrano ny Zoma 13

Desambra hariva teo. Raha araka ny fantatra dia avy any andrefana io fiara 4x4 io no namantana tany amin'izy ireo. Nijoro teo amin'ny trottoir kosa izy 4 mianaka no nofaohany ka tsy nahatsiaro tena ny iray izay voalaza ho Raim-pianakaviana efa lehibe. Tany amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha ity farany vao namoy ny ainy raha naratra mafy kosa ireo 3 ambiny. Mamo moa ilay mpamily, raha ny fantatra antony nahatonga ny loza. Mbola nahavita nanatitra ireo naratra tany amin'ny hopitaly moa ilay mpamily vao nitsoaka. Mbola hifampitadiavana ity farany hatramin'ny omaly fotoana nanoratanay. Tsiahivina fa anisan'ny toerana ahitana loza matetika ny eo an-tampon-tananan''i Fenoarivo. Noho ny fandehanan'ireo fiara mafy eny amin'iny faritra iny amin'ny ankapobeny no antony mahatonga izany ka ilana fitandremana.
Pâti
Légende : Teto amin'ity lalana ity no nisehoan'ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT