Fifamoivoizana

Fehezan-dalàna mifehy ny fitaterana an-dranomasina Efa tena lany daty ny an’i Madagasikara


  • Talata 08 Janoary 2019

Nanatanteraka atrikasa nasionaly tetsy amin’ny hotely Sakamanga Antsahavola omaly alatsinainy 7 janoary ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro miaraka tamin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy ny ranomamy (APMF).

 

 

 

Atrikasa haharitra 5 andro ary ny minisiteran’ny fitaterana mihitsy no nangataka fiaraha-miasa avy amin’ireo manampahaizana manokana ny amin’ny lalàna mifehy ny ranomasina avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny fitaterana an-dranomasina (OMI). Efa nilaozan’ny toetrandro satria efa tamin’ny taona 2000 ny fehezan-dalàna mifehy ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara ka rariny raha hohatsaraina. I Madagasikara dia mpikambana ao amin’ny OMI ary tsy maintsy misy ny fitsirihana (audit) atao amin’ny firenena ao ny amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fitaterana an-dranomasina. Tamin’izany indrindra no nahitan’izy ireo fa tsy ampy sy efa tena tsy manaraka ny toetrandro intsony ireo fehezan-dalàna misy. Maro ireo fifanarahana iraisam-pirenena efa tokony hampidirina amin’ireo fehezan-dalàna mifehy ireo ary ilaina voafehin’ireo manampahaizana misehatra amin’ny lalàna amin’ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara izany. Ny fahalotoana sy ny fandriampahalemana eny an-dranomasina izao dia tsy voarakotry ny lalàna misy eto amin’ny firenena ka anisan’ny anton’ity atrikasa ity ihany koa izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT