Fifamoivoizana

Fasan’ny karana sy Ampasampito Nitohy ny fitaterana mivoaka sy miditra an’Analamanga omaly


  • Alarobia 07 Aprily 2021

Raha ny hita teny an-toerana omaly, mitohy ny fahatongavan’ny olona avy any amin’ny faritra sy ny vao hanainga

 

 

 

na tapitra ny alatsinainy 5 aprily lasa teo aza ny fe-potoana ahafahan’ny fiara mpitatitra zotra nasionaly mivoaka sy miditra ny faritra Analamanga amin'ny alalan'ny taksibrosy eny amin'ny Fasan'ny karana. Nitohy toy ny andavanandro ihany koa ny fitaterana miainga eny amin’ny Toby Fiantsonana Ampasampito ho an’ny omaly. Lasa adihevitra tsy hifankahitana moa io hoe: to teny amin’ny vahoaka ve ny Fanjakana? Ny lalan-tsaina nitondran’ny Fanjakana azy dia ny mba hiarovana amin’ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus. Maro ihany koa anefa etsy ankilany ny olona maneho hevitra, fa tokony havela hiasa ny mpitatitra fa ny fepetra no hamafisina. Tsy misy rahateo ny fepetra mifandraika amin’ny fanatsaharana ny olona ankitsirano amin’ny asa fivelomany na “mésure d’accompagnement”, fa dia terena fotsiny tsotr’izao tsy hiasa, kanefa ny fitaterana samihafa eto Antananarivo maro no tsy manaja fepetra tsy misy fandraisan’andraikitra, hoy ny sasany. Misy ihany koa ny maneho, fa tsy tokony hisy ny sakantsakana ho an’ny zotra rejionaly. Samy manana ny ambarany arakaraka ny toerany avy moa ny olom-pirenena eo anatrehan’io, fa ny hanentanana ny rehetra hatrany dia ny hoe: aoka hitandrina, fa tsy misangy ary tena mamono haingana ny valanaretina. Mila mahitsy sy mazava ary mampihatra ny mangarahara ihany koa ny fitondrana, ary indrindra tsy tokony hanao tari-bato vilam-bava. Fahita eto mantsy ny hoe: ny manam-pahefana manao ny ataony, tsy manaja fepetra rehefa amin’ny tombotsoa politika, kanefa ny vahoaka mahatsapa ho tratry ny tsindrihazolena sy voatohintohina ny asa fivelomany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT