Fifamoivoizana

Fasan’ny Karana Nodiovina tanteraka


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Nodiovina Nanaovana asa fanadiovana faobe teny amin’ny tobim-piantsonan’ny zotra rezionaly sy nasionaly, teny amin’ny Fasan’ny Karana afaka omaly sabotsy 27 jona.

 

 

 

 Nesorina avokoa ireo fako niangona tao an-toerana ary notondrahana ranom-panafody ny tobim-piantsonana iray manontolo. Ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany sy ny Famantarana ny Toetr’andro miaraka tamin’ireo Mpitatitra ao amin’io toby io, ary nandraisan’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-karazany anjara toa ny ATT, ny Samva, ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny sampana mpamonjy voina ny Kaomina ambonivohitra Antananarivo, no angady nananana sy vy nahitana izany, notronin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena Manodidina ny 500 isa teo ho eo ireo olona no nanolo-tena maimaimpoana nanao izany asa fanadiovana izany. Tanjona moa ny hivononana sahady amin’izay ho fisokafan’ny fitanterana, izay efa andrasan’ny tsirairay fatratra. Nanome ny aron-tava, ny fanasan-tanana ary koa ny solika nitaomana ny rano nanadiovana sy ny fako ny MTTM. Ireo mpitatitra kosa dia samy nitondra ny fitaovana izay nananany avy, toy ny kifafa, ny sobika sy fandraofam-pako… Tsiahivina moa fa miisa 30 isan’andro ireo fiara mpitatitra entana mivezivezy ao amin’ny Fasan’ny Karana isan’andro raha miisa 38 kosa ireo koperativa miasa ao an-toerana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT