Fifamoivoizana

Fasan’ny Karana Nitombo 25 % ireo taxi brousse mivoaka


  • Zoma 27 Mey 2022

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mahamaro ireo olona mivezivezy na haute saison isika amin’izao fotoana izao.

Mitombo araka izany ireo fiara taxi brousse mivoaka sy miditra eto an-drenivohitra toy ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRakotondrafara Fredinard anisan’ireo mpitantana eo anivon’ity tobim-piantsonana iray ity dia nitombo 25 % ireo mpandeha raha oharina tamin’ny teo aloha. Am-polony isan’andro araka izany ireo taxi brousse mivoaka etsy amin’ny Fasan’ny karana ho an’ny koperativa isanisany ka saika mitovitovy avokoa izany ho an’ny faritra rehetra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpandeha maromaro dia ny miazo an’i Fianarantsoa no tena be mpandeha. Niaka-bokatra mantsy ny tany an-toerana nanomboka tamin’ny volana martsa, aprily ka saika mihazakazaka mivarotra entana any amin’iny faritra iny avokoa ny mpanao varo-mandeha. Fa tena tian’ny olona ihany koa ny miazo an’i Manakara sy Morondava, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany na ho an’ireo mpanao varo-mandeha izany na ho an’ireo mpitsangatsangana fotsiny ihany. Efa nasiam-panitsiana moa ny saran-dalan’ny taxi brousse eny amin’ny Fasan’ny karana raha tsiahivina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT