Fifamoivoizana

Fasan'ny Karana Niverina nitokona indray ireo mpivarotra


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Niverina nitokona indray ireo mpivarotra etsy amin'ny Fasan'ny Karana ny sabotsy teo.

 Antony dia tsy misy mahazo mandeha mivarotra eny amin'ilay tobim-piantsonana vaovao eny Ambohimanambola ihany koa izy ireo nefa manenjika ny volan'ny banky avokoa ny ankamaroany. An'arivony izahay no mivelona eto amin'ny Fasan'ny Karana miaraka amin'ireo mpanera  izay  samy ho very asa avokoa afaka fotoana fohy satria tsy misy afaka hanao na inona na inona  intsony. Anisan'ireo nandoa ilay vola 15.000 Ar nanamboarana karatra teo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra amin'ny maha mpiasa ara-dalàna azy ireo anefa izy ireo. Tsy hanaiky ireo mpivarotra ireo fa tsy maintsy hivarotra hatrany koa andrasana ny mety ho tohin'ny raharaha. Ho an'ny tobim-piantsonana vaovao etsyAndohatapenaka manokana dia fantatra fa efa misy mpivarotra mandehandeha tafiditra ihany ao amin'ity toerana ity ankehitriny saingy eny ivelan'ireo faritra misy ny fiara. Ho an'ireo mpivarotra  tena mahazo toerana ao anatiny kosa indray dia iray  ihany hatreto no efa milamina  ary iray hafa ihany koa nanangana chapiteau eo ivelany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT