Fifamoivoizana

Faritra maro mitoka-monina Olana tsy mety voavaha ny fanamboaran-dalana


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Ny lalana no avokavoky ny toekarena amina firenena iray. Raha ny eto Madagasikara dia saika simba avokoa ireo lalana mampifandray isaky ny faritra.

 

 

Mbola sarotra vao afaka hisitraka lalana manaraka fenitra noho ny halafosan`ny sarany.Ka tsy atao mahagaga raha sarotra ny fampandrosoana ara-toekarena. Ny vidin`ny tara eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena dia misy karazany ary miankina amin`ny fandrakofana tiana atao. Taonina iray amin`ny tara no hahavitana 10 m² raha 5 sm ny hateviny. Amin`ny ankapobeny, 20 euros (99 000 ariary) ny 1m² saingy miankina amin`ny kalitao sy habetsahany. Mipetraka ny fanontaniana: ahoana ny fomba hahavitana ny lalana manerana ny nosy manoloana ny fahalafosan`ny fanamboarana azy? Inona ny programan`asa lehibe atao amin`ny fanamboaran-dalana lafo be tahaka izany? Hatreto aloha dia tsy afaka manamboatra lalana maro isika raha tsy maka fanampiana avy any ivelany tahaka ny Vondrona Eoropeana , ohatra. Antananarivo renivohitr’i Madagasikara aza ahitana arabe feno lavaka, tena mampalahelo ny zava-misy any amin’ny faritra; ny hoe kaominina ambanivohitra izany moa dia tsy fanao ianao ny lalana, raha mbola lalana ny fiantsoana azy.Tsy tafavoaka ny vokatra, tsy afaka mifamezivezy ny olona, tena hoe lavitry ny fampandrosoana; tahaka ny miaina amina vanim-potoana sy tontolo hafa mihitsy ny olona.Noesoina i Marc Ravalomanana raha nametraka ilay tarigetra hoe : amboarina ny lalana manerana an’i Madagasikara.18 taona aty aoriana hita tsara izao ny vokany.Tsara ho marihana fa mahatratra any amin`ny 3,4 miliara Ariary ankehitriny ny iray kilometatra amin`ny fanamboaran-dalana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT