Fifamoivoizana

Faritra Itasy Nahazo fampitandrena ny orinasa mpanao lalana


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Nidina ifotony nijery ny fandroson'ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'i Miarinarivo - Manazary - Amboniaza ny Governoran'ny Faritra Itasy omaly ary nahita maso ny fitarozahan'ny asa sy ny tsy fanajana ny teny nifanomezana nataon'ny tompon'ny orinasa izay miandraikitra ny asa.

 

 

Taorian’izany ary dia nampiantso ny tompon'ny orinasa araka ny Governoran'Itasy ka nanome azy  fampitandremana tamin'ny alalan'ny "lettre de mise en demeure". Raha tsy vita hatramin'ny faha 22 oktobra izao ny asa dia ho foanana ny fifanarahana (résiliation du contrat) ka hijerena orinasa hafa hanohy ny fanamboarana, araka ny fanazavana. Asa manara-penitra sy mifanaraka amin'ny bokin'andraikitra ny asa raisina amin'io fotoana io.Tranga iray ihany ity any Itasy ity fa maro ny asa fanamboaran-dalana kitoatoa sy tsy manaja ny fenitra na ara-teknika io na ara-potoana amina faritra maro ka mila fanaraha-maso tena hentitra.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT