Fifamoivoizana

Faritra Analamanga 25km ny lalana vita hatramin’ny omaly


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Hatramin'ny omaly dia 25km ny lalana vitan'ny faritra Analamanga ary mbola mitohy hatrany izany, hoy ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ity fiadidiam-paritra ity.

Ho fanohizana ny lalana “pavé" na rarivato nataon'ny faritra Analamanga tamin'ny taona lasa tao amin'ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy dia notohizany izany tamin'ity taona ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ny lalana makany amin'ny biraon'ny kaominina ao amin'ny renivohitry ny kaominina no nanohizana izany. Ny faritra Analamanga dia miezaka hatrany amin'ireo asa izay ataony ny hampanara-penitra izany amin'ny kalitaon’ny asa. Etoana dia maneho ny fialan-tsiny ho an'ny mpampiasa lalana noho ny mety ho fenelingelenana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT