Fifamoivoizana

Fari-dranomason’i Menabe Misy sambo vahiny manao fitrandrahana tsy ara-dalàna


  • Talata 05 Jolay 2022

Tsy dia milamina loatra ny fari-dranomasin’i Menabe. Misy sambo vahiny manao fitrandrahana tsy ara-dalana mantsy any an-toerana matetika saingy tsy hita tampoka izy ireo noho ny toetr’andro izay somary ratsiratsy tato ho ato.

Fantatra izany omaly alatsinainy 04 jolay nandritra ny fahatongavan’ireo sambo roa lehiben' ny tafika frantsay “ Champlein “ sy ny tafika Malagasy “Tselatra” tokony ho tamin’ny roa ora maraina tonga tany amin’ny fari-dranomasin’i Morondava ny sambo roa lehiben' ny tafika frantsay “ Champlein “ sy ny tafika Malagasy “Tselatra”. Tonga nandray azy ireo prefet ny Morondava sy ireo lehibem-pibaikona ny fitandroana ny filaminana any amin’ny faritra Menabe nahitana ny avy ao amin’ny zandarimaria sy ny tafika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny tafika Frantsay sy ny tafika Malagasy moa izao hetsika izao mba hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny tafika roa tonta sy hanamafisana ny fisafoana ny fari-dranomasina Malagasy ary ihany koa ny fametrahana ny inter-arme Malagasy. Hiverina amin’ity herinandro ity ihany moa izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT