Faran’ny herinandro

Tsy voafehy ny fitohanana


  • Talata 26 Desambra 2023

Nitohana be ny fiara midina Antsirabe, teo Amboasary, hiditra Behenjy,

hoy ny fampitam-baovaon’ireo nanjohy iny lalana iny ny tolakandron’ny sabotsy teo. Saika irony fiarabe na kamiao irony no fototry ny olana, hoy izy ireo. Lavabe ny fitohanana. Aiza ny zandarimaria mpandrindra ny lalana? Misy koa ireo manam-pahaizana efa zatra mpanao “doublons”, izany hoe tsy manaja ny lalàna mifehy fifamoivoizana, ka vao mainka manery ny fifanenàna, hoy hatrany ireo mpampiasa lalana. Ny teto Antananarivo renivohitra moa dia efa maha fotsy rora tanteraka ireo vahoakan’ilay nampanantena fatratra tamin’ny 4 taona lasa hoe “Antananarivo tsy maintsy mandroso”. Hifarana ihany ity ny fotoam-piasany hita ho nihemotra fatratra ilay nambarany fa tsy maintsy mandroso. Tsy voafehy ny fitohanana, raha ny faran’ny herinandro teo no fintinina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT