Fifamoivoizana

Faran’ny herinandro Sesilany ny lozam-pifamoivoizana


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Nirarakopana ny lozam-pifamoivoizana tamina toerana samihafa sy tany amin’ny lalàm-pirenena ho an’iny faran’ny herinandro iny, izay tsy latsaky ny 5 raha ho an’ny omaly fotsiny.

 

 

 

Ny roa teny amin’ ny lalam-pirenena faha-7, ny telo ambiny dia teto Antananarivo Renivohitra (Ankadilalana sy Anosy ary Sabotsy Namehana). Fiara mpitatitra marika Mazda iray no nifanehitra tamina fiara kely teo Antanifotsy Antsirabe, izay samy potika tanteraka, ary nisy ny faharatran’olona maromaro. Teo anelanelan’i Fianarantsoa sy Alakamisy Ambohimaha ihany koa dia nisy lozam-pifamoivoizana. Fiara telo no nifandona teto.  Potika avokoa ireo fiara, saingy tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy. Tetsy Ankadilalana ihany koa dia fiara fitateram-bahoaka roa no tra-doza, ka ramatoa iray no potika ny tongony, ary 2 hafa torana nandritra izany. Tsikaritra fa fiara fitateram-bahoaka avokoa no tra-doza, izay ilana fiheverana satria aim-bahoaka no hoentina ao anatin’izy ireny. Mifangaro ao ny mety ho olana ara-teknika, ny tsy fitandremana,… izay mila fanaraha-maso hentitra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT