Fanotofana tanimbary hanaovana « Autoroute »

Toherin’ireo vahoaka ao Ambohimanga Rova


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

ambanivohitr’Ambohimanga Rova, distrikan’Avaradrano mba hanamboarana lala-mikodana na auto route. Tokony efa nanomboka tamin’ny Zoma ny asa raha araka ny fanazavan-dRakotondranaivo Jean Nicolas solontenam-pokonolona saingy noho tsy fankasitrahan’izy ireo izany dia mbola tsy tanteraka hatramin’ny omaly Talata 15 Oktobra nahazoanay ny vaovao. Olona an’aliny raha araka ny fanazavany no mivelona amin’io tanimbary 100 ha io. Ankoatra ireo taranaka izay manabe voa azy ankehitriny hiantohana ny vary hohanina mandavan-taona sy handoavana ny saram-pianaran’ny mpianatra dia mbola omena am-paham-bary avy amin’io tanimbaribe io ihany koa ireo Ray aman-dReny teo aloha. Mbola avy amin’io tanimbaribe io ihany koa no hiveloman’ireo mpaka foza orana, mpaka trondro sy pirina, ny mpamboly ovy sy ny mpiompy ganagana any amin’iny faritra iny. Efa tonga tany an-toerana nikasa hijery ny fomba hanonerana ny vidin’ny tany tamin’ireo fokonolona moa ny Prefektiora tamin’ny Sabotsy teo hoy hatrany ny fanazavana azo saingy tsy nahoan’ireo fokonolona. Toraka izany ny EMMO izay nahitana polisy sy zandary saingy nijanona teo an-tokontanim-pokontany fotsiny ihany. Nilaza ireo fokonolona ao Ambohimanga rova fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ity fikasan’ny Fitondram-panjakana hanototra ny tanimbary mirefy 100 ha izay foto-piveloman’izy ireo ity.
Pati
Sary fanehoana : Tanimbaribe mahavokatra tahaka izao no tadiavin’ny Fitondram-panjakana havadika lalana eto Ambohimangarova !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT