Fanomezana laharana ny fiara vaovao

Raikitra ny “certificat électronique”


  • Zoma 08 Septambra 2023

Tontosa omaly Alakamisy 07 septambra ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ny “certificate”

amin’ny endrika elektronika mba hahafahana manome laharana ireo fiara nafarana avy any ivelany". Tetikasa iray novolavolain'ny Fadintseranana Malagasy niaraka tamin'ny Centres Immatriculateurs manerana ny Nosy sy ny GasyNet izy io. Nohazavain'ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana nandritra ny fotoana namoahafantarana azy io ny maha zava-dehibe an'ity tetikasa ity sy ny fanatsarana entiny ho an'ny mpisitraka azy, ary indrindra ho an'ny Fadin-tseranana sy ny mpiara-miombon'antoka aminy. Nohamafisin-dRamatoa Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola nandritra ity lanonana ity fa tokony hahomby tokoa io rafitra vaovao io mba hanafainganana ny famoahana fiara. Ity rafitra dia natao mba hiarovana ny famoahan'entana sy hialana amin'ny hosoka.Nanamafy ihany koa ny Tale Jeneralin'ny "Administration des Territoires" avy ao amin'ny Ministeran'ny Atiany sy ny Fitsinjaram-pahefana fa vonona hiara-kiasa akaiky amin'ny Fadintseranana izy ireo mba hanamorana ny fiovana mankany amin'ny fomba famoahan'entana amin'ny endrika elektronika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT