Hita fa tena feno olona be indray teny amin’ny gara Andohatapenaka omaly, tsy voahaja ny elanelana iray metatra.
Famelana hody ireo olona tafajanona eto Antananarivo kanefa mipetraka sy miasa any amin’ny faritra, no anton’ny fanapahan-kevitra. Tsy nazava tamin’ny olona io fepetra io ka izay no olana ho ny ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Joel Randriamandranto.Maro mantsy ireo nihevitra hoe handeha hiala eto Antananarivo ka hody any ambanivohitra na any amin’ny tany niaviany mba hitsoaka ny Coronavirus.Eo amin’ny 2000 ka hatramin’ny 5000 isan’andro no nangataka ilay fahazoan-dalana. Tsy mety anefa ilay fitangoronana be ary hita fa tena sarotra sy handany fooana raha hanome fahazoan-dàlàna ho an’ny tsirairay, hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Joel Randriamandranto. Ny “manifold” no tsy maintsy arahi-maso tanteraka, atao dika mitovy 3 iray an’ny kaoperativa, iray an’ny ATT, iray an’ny fiara. Natao mba hahafantarana ny olona rehetra. Tsy maintsy voasoratra ao ny anarana feno, ny laharana an-telefaonina sy ny adiresy.Napetraka ihany koa fa tsy misy miala amin’ny tobim-piantsonana, raha tsy mandalo amin’ny dokotera ny mpandeha tsirairay sao misy marary, misy hafanana,… Rehefa miteny ny mpitsabo hoe afaka mandeha vao azo alefa. Ao anaty fiara, dia tsy maintsy mitondra takom-bava, ary tsy maintsy misy “gel hydroalcoolique” hanasana tànana. Efa mizara izany ny Fikambanana Fitia, raha ny fanazavana. Vonoina avokoa ny mikraoba amin’ny fiara sy eny amin’ny toby fiantsonana. Eny no mampiseho ilay “manifold”, ary mahazo visa na fahazoan-dàlana avy amin’ny ATT sy ny fahasalamana avy eo izay vao mandeha.
FEPETRA HO AN’NY FIARAKELY
Mikasika ny fiarakely, dia tsy mangataka izy satria any amin’ny làlam-pirenena rehetra dia efa misy fanaraha-maso ara-pahasalamana ataon’ny Minisiteran’ny fahasalamana, ATT, mpitandro filaminana. Izay mahafeno fepetra alefa, ary haverina izay mifanohitra amin’izay. Tsy tokony hararaotina ny fanomezana alalana hivoaka.
SIDINA ANA HABAKABAKA
Mikasika ny sidina anatiny, dia ny hahazoan’ny olona tavela teto mody ihany koa no anton’io. Nanomboka ny talata hatramin’ny rahampitso alakamisy io. Any amin’ireo faritra mbola tsy misy ny aretina ihany no azo aleha. Etsy amin’ny Biraon’ny Tsaradia Analakely na La City Ivandry. Tsy maintsy mameno ny “fiche” momba ireo mpandeha. Mila ny fitsirihan’ny mpitsabo ihany koa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.