Fifamoivoizana

Fanoherana ny Taxi-moto Miditra an-tsehatra ireo vadina mpamily Taxi-ville


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny sabotsy teo ireo vehivavy vadina mpamily fiara karetsaka na taxi eto Antananarivo renivohitra.

Naneho ny alahelony izy ireo manoloana ny fahafantarany fa mety hampidirin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ho ao anatin’ny sehatr’asa ara-dalàna ho afaka hitatitra mpandeha ny taxi-moto. Ankehitriny anefa efa zara raha mahita course roa ny fiara karetsaka iray mandrapaharivan’ny andro eto an-drenivohitra, raha tsy lazaina intsony ny fitohanana eran’ny tanana izay sady mandany solika no manimba fiara eny am-pandehanana ihany koa. Nanampy ireto vehivavy vadina mpamily taxi ireto nandritra izany ny CST izay miantso ny kaominina mba handinika tsara sy hijery lafin-javatra maro. Lazain’ny olona fa saribakolin’ny kaominina Antananarivo renivohitra hatrany izahay hoy izy hatramin’izay ka tsy maintsy mijoro sy miteny manomboka izao. Jereo ilay fiara karetsaka izay efa sasatry ny mandoa volam-panjakana hoy izy ary aza hampitoviana amin’ny taxi-moto. Marihina moa fa mety hanimba tanteraka ny asan’ny fiara karetsaka mihitsy ny taxi-moto raha horaisin’ny kaominina tokoa ny fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany. Sady afaka miady amin’ny fitohanana lavareny etsy sy eroa mantsy izy ireny no mety ho moramora ihany koa ny saran-dalany raha oharina amin’ny an’ny fiara karetsaka.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT