Fanjakana Rajoelina

Mikofokofoka mafy amin’ny fampidirana ny Emirates Airlines


  • Talata 16 Jolay 2024

Napetraka eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika ny komity iray natokana

ho fanomanana ny fahatongavan’ny kaompania Emirates Airlines, raha ny seraseram-panjakana. Nohamafisin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Meteorolojia fa ny fahatongavan’ity kaompania mpitondra entana sy mpandeha ity eto Madagasikara dia manana lanja stratejika lehibe ho an’ny firenena, manamora ny fifandraisana an’habakabaka ary manokatra làlana vaovao ho an’ny fampandrosoana ny fizahan-tany malagasy. Ity zotram-piaramanidina ity ihany koa dia tokony hampiroborobo ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo Mitambatra, ka manokatra làlana ho amin’ny herijika vaovao, raha ny serasera mandeha hatrany. Tsiahivina fa ny Emirates Airlines dia mikasa ny hanomboka amin’ny 3 septambra ho avy izao amin’ny alalan’ny fanaovana sidina in’efatra isan-kerinandro (talata, alakamisy, asabotsy ary alahady) eo amin’i Dubaï sy Antananarivo, miaraka amin’ny fijanonana any Seychelles. Boeing 777-300ER no hiantoka izany zotra izany. Rehefa maty sy novonoina ny Air Madagascar, ary mitsipozipozy ny Madagascar Airlines solony nambara fa hiroborobo, dia io iaraha-mahita io, fa ny miantso kaompania vahiny sisa no asa mahadodona ny Fanjakana. Mihazakazaka fatratra amin’ny fampidirana ity kaompania Emirates Airlines ity ny Fanjakana, ankoatra ny hanokafana ambasadaoro any amin’ny firenena arabo. Tena mifantoka amin’ny fizahantany sy ny toekarena madiorano tokoa ve sa sanatrian’ny vava làlana mizotra makany amin’ny firongatry ny trafikana harena an-kibon’ny tany avy eto Madagasikara. Tsara rahateo ny mampahatsiahy, fa i Dubaï sy ny tany arabo no isan’ny tena hiondranan’ny volamena sy ny harenantsika an-tsokosoko.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT