Fanjakana Rajoelina

Mikofokofoka mafy amin’ny fampidirana ny Emirates Airlines


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Napetraka eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika ny komity iray natokana ho fanomanana ny

fahatongavan’ny kaompania Emirates Airlines, raha ny seraseram-panjakana. Nohamafisin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Meteorolojia fa ny fahatongavan’ity kaompania mpitondra entana sy mpandeha ity eto Madagasikara dia manana lanja stratejika lehibe ho an’ny firenena, manamora ny fifandraisana an’habakabaka ary manokatra làlana vaovao ho an’ny fampandrosoana ny fizahan-tany malagasy. Ity zotram-piaramanidina ity ihany koa dia tokony hampiroborobo ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo Mitambatra, ka manokatra làlana ho amin’ny herijika vaovao, raha ny serasera mandeha hatrany. Tsiahivina fa ny Emirates Airlines dia mikasa ny hanomboka amin’ny 3 septambra ho avy izao amin’ny alalan’ny fanaovana sidina in’efatra isan-kerinandro (talata, alakamisy, asabotsy ary alahady) eo amin’i Dubaï sy Antananarivo, miaraka amin’ny fijanonana any Seychelles. Boeing 777-300ER no hiantoka izany zotra izany. Rehefa maty sy novonoina ny Air Madagascar, ary mitsipozipozy ny Madagascar Airlines solony nambara fa hiroborobo, dia io iaraha-mahita io, fa ny miantso kaompania vahiny sisa no asa mahadodona ny Fanjakana. Mihazakazaka fatratra amin’ny fampidirana ity kaompania Emirates Airlines ity ny Fanjakana, ankoatra ny hanokafana ambasadaoro any amin’ny firenena arabo. Tena mifantoka amin’ny fizahantany sy ny toekarena madiorano tokoa ve sa sanatrian’ny vava làlana mizotra makany amin’ny firongatry ny trafikana harena an-kibon’ny tany avy eto Madagasikara. Tsara rahateo ny mampahatsiahy, fa i Dubaï sy ny tany arabo no isan’ny tena hiondranan’ny volamena sy ny harenantsika an-tsokosoko.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • RN22
  • Zoma 27 Novambra 2026

VAVANTENINA-ANTSIKAFOKA

  • Fanarenana
  • Alarobia 25 Novambra 2026

ny RN1 Bis

  • Fiara
  • Alarobia 25 Novambra 2026

tra-doza

  • RN6
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Olona 2 indray matin’ny

  • Miainga
  • Talata 24 Novambra 2026

ny fanavaozana ny MADARAIL

  • Loza mahatsiravina
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

sesilany

Hijery ny tohiny
FTT