Fifamoivoizana

Fanitaran-dalana Anosizato – Fenoarivo RN1 Manjavozavo ny resaka


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Anisan’ny resa-be nitana ny sain’ny rehetra tato ho ato ny mikasika ny fanitaran-dalana hatao any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Miainga etsy Anosizato izy io raha araka ny nambaran’ny filoham-pirenena.

 

 Ezahana hahazaka fiara efatra mifanena ny tetezana mba hialana amin’ny fitohanana lavareny,  mipaka hatrany Fenoarivo Atsimondrano any. Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fandrodanana trano izay hahakasika olona marobe tokoa. Ho an’ny kaominina Ampitatafika manokana dia misy maromaro ireo olona voakasika. Samihafa anefa ny vaovao voarain’izy ireo amin’ny ankapobeny. Misy ireo efa nahazo karazana taratasy toy ny recensement mihitsy manadihady ny momba ny taratasin’ny tranony na ara-dalàna na tsia. Misy koa anefa ireo nilazana mivantana fa any amin’ny Mateza tôle ny fanitaran-dalana. Santionany amin’izany ireto olona nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Ramatoa Fara :  Ny anay ny tranon-drazana mihitsy no voakasika raha tanteraka io tetikasan’ny filoham-pirenena io. Efa tamin’ny taona 1919 anefa no efa tranonay io ary anananay taratasy ara-dalàna. Misy amin’io faritry ny tranonay io anefa no tsy maintsy ho lasa raha sanatria ka tanteraka izany. Fa ny mahavariana aloha hatreto dia ny feo renay fa tsy hisy fandrodanana trano izany ety Ampitatafika e ! Eny amin’ny Mateza tôle, hono, mantsy vao mety hanomboka izany, raha hisy.

Ramatoa Raniry : Ny zavatra tsikaritro hatramin’ny nivoahan’iny resaka iny fa hisy fandrodanana trano ety Ampitatafika dia efa misy taratasy mandehandeha any rehetra any manadihady ny momba ilay trano mety voakasika. Tafiditra ao anatin’izany ny akora nanaovana azy, nahazo taratasy fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina ve ? iza no misoratra aminy, tamin’ny taona firy…. Na izany aza anefa dia anisan’ny vaovao hafa renay koa ny hoe : raha mbola lany io filoham-pirenena ankehitriny  io dia tsy maintsy hotanterahiny ity  tetikasa ity fa raha tsy lany intsony izy dia hijanona eo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT