Nanolotra Caméra de surveillance raitra miisa 1200 , miaraka amin’ny fibre optique mirefy 300km, “pylônes” miisa 18 ho ana “réseau eLTE 4G”, “Site Intelligent Vidéo Solution” miisa 300,
Talkie-walkie miisa 800 ary 15 radio embarqué ho fanampiana ny polisim-pirenena amin’ny asany ny Minisiteran'ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana haitao ara-kajy mirindra tamin'ny alalan'ny Minisitra Andriamatoa Razafindramalo Tahina. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa no tonga nandray izany teny amin’ny ARTEC Andohatapenaka. Nandritra izany no nilazany fa efa ela no nanirian'ny Polisim-pirenena hampiasa fitaovana tahaka izao ho entina miady amin'ny asan-jiolahy isan-karazany sy handrindrana ny fifamoivoizana izay miseho eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.