Fifamoivoizana

Fandrindrana ny fifamoivoizana Fepetra maromaro noraisin’ny CUA


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Ho fanamafisana ny fanalalahana ny lalana, mba tsy hisian’ny fitohanan’ny fiarakodia lavareny manomboka eo Analakely mihazo an’i Behoririka mankeny Ankazomanga,

 

araka ny toromariky ny ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana    dia  misy ny fandaminana vaovao  mahakasika ny fizotran’ny fiarakodia manomboka anio alarobia 16 oktobra,  araka ny fanambaràna   nataon’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Landy Raveloson. Ny fiara  eo Analakely mihazo  an’Akazomanga sy ny vahalavan’Ambohimanarina   sy ny Boulevard de L’Europe  dia avy hatrany dia afaka midina  eo amin’ny tsenan’i Pochard  manitsy mankeny Ankazomanga,  fa tsy mandalo  eny Behoririka  intsony  . Ny taxibe  114 , 105 , 112 dia  eo amin’ny Plaza Analakely  no miainga  ary tsy misy  arrêt  Bus raha  tsy any amin’ny CEG  Antanimena, tonga dia midina amin’ny tsenan’ny Pochard koa ireo taxibe ireo fa tsy mihodina any Behoririka intsoiny. Foana avy hatrany ihany  koa  ny fifanitsahana na  “Intersection”  eo  amin’ny Jovena Antaniavo   mihazo  ny  tsenan’Atody  mankany  Antohomadinika, sy ny avy any amin’ny Atody mankeny amin’ny Jovena Antaniavo, fa avy hatrany  dia any Vassacos ny lalan’ny fiara rehetra mihazo an’i 67ha .  Fanombohana   izao hatao izao hoy  ny Sekretera jeneraly ny CUA, Landy Raveloson  ary araka ny fahitàna azy  dia mety , ka hitohy any amin’ny faritra  hafa  izay tena ahitàna fitohanan’ny fiarakodia .  Izao fandaminana  izao  dia hiarahan’ny   Agent d’assainissement  ao amin’ny CUA, ny polisy monisipaly ary misy ihany koa  ny fiaraha-miasa  amin’ny polisy nasionaly .   

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT