Fifamoivoizana

Fandravana trano eny Ambohijanaka Manomboka mitroatra ny vahoaka


  • Talata 07 Martsa 2017

Mihamafana ilay raharaha fandravana trano ao anatin’ny kaominina Ambohijanaka amin’izao fotoana izao na dia vao manomboka maka ny hevitr’ireo mponina voakasika sy handravona izany aza ny Ben’ny tanàna Alain Ratsimbazafy sy ireo ekipany mialoha ny hifampiresahany mivantana amin’ny minisitera misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena.

 Nitroatra ny mponina omaly ka tonga nirodorodo nilanja sorabaventy teny amin’ny biraon’ny kaominina avokoa. Raha fehezina, ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-baravarana no hafatra tena tian’izy ireo hampitaina  nefa mbola potehina ihany ny fananany. Ny lefitry ny Ben’ny tanàna no nifampiresaka  mivantana tamin’izy ireo. Fantatra kosa fa ny Ben’ny tanàna mivantana no hanazava ny zava-misy amin’ny mponina anio manomboka amin’ny 9 ora maraina. Lasa mivadika ho fankahalan’ny mponina  ny Ben’ny tanàna Alain Ratsimbazafy ity raharaha fandravana trano eny Ambohijanaka ity amin’ny ankapobeny. Avy amin’ny fanapahan-kevitry ny minisitera anefa no niaviany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT