Fifamoivoizana

Fandraisana sidina avy any ivelany Nosokafana ny serananan’I Toliara sy Taolagnaro


  • Zoma 15 Jolay 2022

Taorian’ny fisokafan’ny seranam-piaramanidina lvato Antananarivo, Mahajanga, Nosy Be, Antsiranana, Sainte-Marie ary Toamasina amin’ireo zotram-pítaterana avy any Turquie, La Réunion, Mayotte, Maurice,

Ethiopie ary France dia nomen'ny Filan-kevitry ny minisitra ny arobia 13 jolay teo alalana ihany koa fisokafan'ny seranam-piaramanidin’i Toliara sy Tolagnaro ho an'ny zotra avy atsy La Réunion. Hentitra kosa ny Filohan'ny Repoblika ny tsy maintsy hisian'ny fanamafisana ny fepetra rehetra hiadiana amin ny tanondranana ny harem-pirenena antsokosoko, hoy ny Fanjakana. Izany indrindra no mbola tsy mampisokatra ny zotra an’habakabaka mampitohy an’i Madagasikara amin’i Afrika Atsimo izay mbola miandry ny fanasoniavana fifanarahana na « protocole daccord » (MOU) hiantohana ny fisorohana izay fanondrana antsokosoko ny harem-pirenena izany, hoy ny Fanjakana. Nohamafisin'Atoa Filohan'ny Repoblika ihany koa ny fitakian’i Madagasikara ny hiverenan’ireo volamena 73 kg naondrana tsy ara-dalana tany Afrika Atsimo sy ny fampodiana eto Madagasikara ireo teratany malagasy tompon'andraikitra tamin'ïzany fandikan-dalàna izany, amin'ny alalan'ny « extradition », hoy hatrany ny Fanjakana. Nambara fa mikaroka ny fomba rehetra, na araka ny lalàna manan-kery na ara-pomba diplomatika hahatratrarana izany tanjona izany ny fitondram-panjakana ankehitriny satria sarotiny aminny fiarovana ny harem-pirenena malagasy. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa ny 31 janoary 2020 ity raharaha fanondranana ity. Tsy nahomby hatramin’izao ny fampanantenana nataon’ny Fanjakana izay midika fa tsy mahomby ny diplaomasian’ny Fanjakana Rajoelina. Miditra amin’ny karazana takalon’aina ara-diplaomatika sy ara-barotra amin’ny fanakanana ny zotram-piaramanidina eo amin’ny firenena roa tonta. Asa hanao ahoana ny tohiny ? Ary ahoana ny volamenantsika tratra tatsy Kaomoro, Maorisy.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT