Fifamoivoizana

Fandikan-dalàn’ny Taksibe Ivato Niditra an-tsehatra ny CIR sy ny polisy kaominaly mihitsy omaly


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Diso be loatra ny tsy fanarahan-dalàna hataon’ireo taksibe mampitohy an’i Vassacos amin’Ivato ao amin’ny zotra D.

 

 

 Raha araka ny fantatra mantsy dia mihamahazo vahana hatrany ny fanariana mpandeha eny an-dalana, indrindra amin’ny andro hariva, ny tsy fanajana mpandeha, ny fandraisana olona eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany…hataon’izy ireo. Mba ho famerenana amin’ny laoniny ny fitateram-bahoaka  eny amin’iny faritra iny ary dia nidina ifotony teny an-toerana mihitsy ireo mpitandro ny filaminana eo anivon’ny CIR ( Cellule  d’intervention routière) nanomboka omaly, notronin’ny pôlisy kaominaly. Hijery sy hanara-maso ny fomba fiasan’ireo taxi-be no tanjon’izy ireo amin’izany, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izay mahabetsaka ny olona mifamezivezy izao. Fisintonana avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia  ho an’ny mpamily sy ny fanaovana “fourrière” ny taksibe  moa no sazy miandry avy hatrany ireo mpitatitra tsy manara-dalàna  izay mety hiafara amin’ny fampiatoana ilay mpamily amin’ny asany mihitsy raha toa ka ilaina izany. Tsiahivina moa fa anisan’ny tazana nanampy ny CIR sy ny polisy kaominaly teny an-toerana ihany koa omaly ny zandary hananan’ny mpanjifa fitoniana sy filaminan-tsaina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT