Fifamoivoizana

Fandikan-dalàna amin’ny fifamoivoizana Tokony ampiasaina hanefan-tsazy ny Mobile Money


  • Zoma 15 Febroary 2019

Efa ho isan-kerinandro mba tsy hitenenana hoe isan’andro no handresena fa nisy lozam-pifamoivoizana tatsy na taroa.

 

 

 

Fahapotehana, faharatrana ary tena miafara amin’ny famoizana ain’olona mihitsy izany; maro koa ireo mitondra takaitra.Olana ara-teknika na fandikan-dalàna tsotra no mahatonga ny loza.Tsy takon’afenina ihany koa fa hanjakan’ny kolikoly ny tontolon’ny fifamoivoizana eto Madagasikara, miainga any amin’ny fampidirina fiara eny amin’ny serana-tsambo izany, mandalo ny “visite technique”, ny famarotana fiara sy fikarakarana taratasy ary ny eny an-dalambe.Tokony hialana ny kolikoly mba hisorohana ny loza; efa hita fa tsy nandaitra ny fomba fiasa hatrizay ka fotoana angamba izao hikarohana paikady vaovao.Anisan’izany ohatra ny fampiasana ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday (Mobile money).Raha misy ny fandikan-dalàna natao, mijery sy manaporofo izany ny mpitandro filaminana ary hefain’ilay mpamily nandika lalàna avy hatrany amin’ny alalan’io Mobile money io ny saziny.Tsy mila fotoana ela, hahafahana misoroka ihany koa ny fifandrirarirana ny amin’ny hoe : fa lasa aiza marina ny taratasin’ny fiara ary aiza no birao aleha.Mahatonga ny olona ho tafaroboka ao anatin’ny kolikoly mantsy ilay fotoana lany amin’ny fandoavana sazy any amin’ny tobin’ny zandary na ny polisy satria mety ho lany ao mihitsy ny tapak’andro noho ny filaharana lavareny.Atao mazava ary aparitaka ho fanta-bahoaka ny laharana handefasana ny vola ; mivantana any amin’ny foiben’ny zandarimariam-pirenena na ny polisim-pirenena.Efa fomba iray hahafahana mampihena ny kolikoly io ary tsy mahavery fotoana no ihany koa hampitombo ny kitapom-bolan’ny fanjakana.Heverina fa hampitombo kokoa ny fahamailoana sy ny fitandremana ho an’ny mpampiasa fiara izany, ka tombanana fa hampihena ihany koa ny lozam-pifamoivoizana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT