Fifamoivoizana

Fandehanana mafy teny amin’ny Route digue Nifampitrongy ny Taksibe 194 sy ny Fiara 3 CV


  • Talata 23 Jolay 2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny digy, sampanana hiazo an’Ambohitrimanjaka, omaly alatsinainy 22 jolay maraina. Taksibe ao amin’ny zotra 194 avy any Andranomena no nifandona

 

 

 

tamina fiara 3 CV iray ka samy nisy naratra avokoa tao anatin’ireo fiara roa ireo. Raha ny vaovao azo, vokatry ny tsy fitandremana sy ny fandehanana mafy loatra no nahatonga ny loza. Na izany aza tsy nisy ny namoy ny ainy. Nahazo vahana indray ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Ankoatra ireo mpitaingina môtô dia misy hatrany ireo fiara lasibatra ka tokony samy hitandrina ny tsirairay.  Nitarika fitohanana goavana teny amin’iny digy mivoaka an’Andohatapenaka iny moa ity lozam-pifamoivoizana nitranga teny an-toerana, omaly ity ka tsy vitsy ireo voatery niverina na niova lalana mihitsy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT