Fifamoivoizana

Fandaminana ny posy sy sarety Ho gidragidra raha tsy voafehy


  • Zoma 14 Jona 2019

Nihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana, omaly alakamisy 13 jona atoandro, satria tsy nanaiky ilay fandaminana amin'ny ora tokony handehanana ireo sarety sy posy teny Anosibe ary saika raikitra ny sakoroka teo amin'ny polisy sy ny mpitarika sarety.

 

 

Maro dia maro ireo sarety voasakana ka nanjary nanelingelina sy nampikatso ny fifamoivoizana. Nibahana ny lalana avy any Anosibe mivoaka an’i 67 Ha ireo sarety sy posy. Fandaminana ny etsy Anosibe no takian`ireo mpitarika sarety satria ny tapak`andro maraina izy ireo no tena miasa. Maro rahateo ny mpivarotra mpamongady eny an-toerana. Nilaza moa ireo mpitarika sarety sendra anay fa tsy izy ireo no tena miteraka ny fitohanana raha eny Anosibe fa ireo fiara mijanona amoron-dalana, hany ka tsy afaka maka sisiny izy ireo. Hentitra kosa ireo mpitandro filaminana manara-maso azy ireny. Omaly dia mbola namela ireo sarety nandeha ihany izy ireo. Tsiahivina hatrany fa manomboka amin`ny 7 ora ka hatramin`ny 10 ora maraina, amin`ny 12 ora hatramin`ny 2 ora folakandro ary amin`ny 4 ora hariva mandra-pisavan`ny fifamoivoizana no fotoana tsy hahafahan`ireo sarety sy posy mivezivezy eto an-drenivohitra. Nahitana fitohanana nateraky ny posy sy sarety ihany koa ny teny Andavamamba, Ampefiloha sy Anosy. Asa indray izay hitranga anio.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT