Fifamoivoizana

Fandaminana ny fifamoivoizana Nosokafana ny lalana Petite Vitesse


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Nosokafan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nanomboka ny talata 11 septambra 2018 ny lalana Rainibetsimisaraka manoloana ny Petite Vitesse rehefa nihidy tsy azon’ny fiarakodia nampiasaina nandritra ny efa-bolana.

 

Noraisina izao fanapahan-kevitra izao mba ho fisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay tena mampikaikaika ny olona tokoa ankehitriny. Vao mangiran-dratsy dia tonga niara-nientana tamin’ny fanadiovana sy ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana izay tena hita fa manelingelina ny fifamoivoizana ireo ekipan’ny Boriborintany voalohany, ireo mpiandraikitra ny tsena ary ny polisy monisipaly. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny boriborintany voalohany dia efa iaraha-mahalala ary mbola hamafisina hatrany fa ny « trottoir » dia natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra, ny arabe ho an’ny fiara ary ny tsena kosa dia ho an’ny mpivarotra. Entanina hatrany ny tsirairay mba samy hanaraka ny fandaminana. Tsara ny manamarika fa ireo mpivarotra dia efa nifanaiky tamin’izy ireo fa samy hanaraka ireo lamina hapetraka. Ny fanadiovana sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra dia mbola mitohy hatrany satria dia « tanàna madio sy milamina no tanjona ».

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT