Fifamoivoizana

Fandaminana fiantsonana anaty ranobe Sahirana ny Easy Park


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Manoloana ny rotsak’orana nahatondra-drano an’Iarivo tato ho ato dia nilaza ny avy eo anivon’ny orinasa Easy Park fa miha mafy ny fiatrehan’izy ireo ny asa sahaniny dia ny fitantanana ny fiantsonan’ireo fiara moa izany.

 

 

 

 voajanahary ny orana ary tsy azo ferana ny habetsahany sy fahatongavany. Manoloana izay dia miha mihangona ny loto ary midika izany fa mitombo ny asa fanadiovana ireo fiantsonana na “Parking”, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasa miara-miasa amin’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ity, Tiana Rasamimanantsoa. Mila famelomana koa ireo mari-piantsonana na ny “Marquage au sol”. Tranga naha mafimafy ny asa toy izao koa, hoy ny tenany, ny tamin’ny faran’ny taona satria voasarika nidina amin’ny arabe, ohatra, ny mpivarotra, mitombo ny olona mifamezivezy ary ny fitohanan’ny fiara koa manahirana. Raha ilaina, hoy ny tenany, ny manampy ny isan’ireo mpiara-miasa dia hatao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT