Fifamoivoizana

Fandaminam-piantsonana eto Antananarivo Miha manara-dalàna ny mponina


  • Zoma 09 Martsa 2018

Ny volana febroary 2016 no nanomboka nitantana ny fiantsonan’ireo fiara eto an-drenivohitra ny orinasa Easy park. Nifanarahana tamin’ny kaominin’Antananarivo (CUA) tamin’izany ny hampiasa teknolojia izay mbola vitsy eto Afrika ny mampiasa azy dia ny « Horodateur ».

 

 Hita nanomboka teo ny fiantraikany teo amin’ny fandriampahalemana, ny fifamoivoizana, ny tontolo iainana, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasa ity, Tiana Rasamimanantsoa. Amin’izao fotoana moa dia efa mora ny fandoavana ny saram-piantsonana amin’ny alalan’ny finday. Maherin’ ny 70% ny fanarahan-dalàna efa hita eny amin’ireo toerana miisa 2500 eo tantaninay, hoy ny fanazavana. Paikady nahomby indrindra ny fanentanana saingy tsy vitanay irery izany, hoy izy, raha tsy miara-mientana sy resy lahatra ny olompirenena rehetra fa ny fanarahan-dalàna no mahatafita. Fomba tsotra ny takiana dia ny hoe ny toeram-piantsonana miloko fotsy no natao ho an’ny rehetra ary apetraka mazava eo amin’ny fitaratry ny fiara ny taratasy misy ny fetram-piantsonana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT