Fandalovan’ny Convoi SADC

Bus iray nandona fiara telo, tratry ny rahom-bava ny lasibatra…


  • Talata 19 Aogositra 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny rond-point Antanimena,

manoloana ny Orinasa Henry Fraise, nandritra ny fandalovan’ny « convoi » manokana nitondra ny delegasiona avy amin’ny Mpanjaka Mswati III, Eswatini, niatrika ny fivoriamben’ny SADC sy nandray anjara tamin’ny fanokafana ofisialy ny lalambe 8km omaly. Araka ny fanamarihana, fiara miisa 12 teo ho eo no tao anatin’ny convoi, anisan’izany ny bus maromaro. Raha samy niala lalana avokoa ny fiara rehetra mba hanome toerana ny delegasiona, dia bus iray farany no nanao fihetsika tsy ara-dalàna ka nifaoka fiara telo izay nijanona ara-dalàna teo amin’ny sisin-dalana, raha ny fitarainana. Tsy nijanonana ilay mpamily taorian’ny fifandonana. Tsy noraharahiany ny fahasimbana sy ny mety ho naratra, ary nitohy nandeha nankany amin’ny toerana nanaovana ny fitokanana izy. Niezaka nanatona am-panajana ilay mpamily ny tompon’ny iray amin’ireo fiara voadona, saingy tsy firaharahiana sy fandrahonana aza no azony: “Ataovy izay ataonao, fa fiaram-panjakana ity, izay iray isika mafy be.” No voalaza fa setriny. Tsy te hanitatra resaka intsony ireo niharam-boina, fa samy nanamboatra ny fiarany avy, na dia nalahelo sy gaga tamin’ny toe-tsaina nasehon’ilay mpamily aza, hoy ny fitantarana. Natao ho an’iza ny lalàna ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT