Fandaharana

Arolozan’ny fifamoivoizana


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Maro no mitaky ny famerenana azy Manoloana ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana

eto Madagasikara dia maro amin’ireo mpanara-baovao ankehitriny no manoson-kevitra na mitaky mihitsy famerenana ny fandaharana Arolozan’ny fifamoivoizana na ALF. Fandaharana efa hatrany amin’ny taona 1990 tany izy io no tao amin’ny fahitalavim-pirenena na TVM. Sarimiaina fampahafantarana ny tokony atao rehefa mifamoivoy eny an’arabe eny na ho an’ny mpandeha tongotra io na ho an’ireo mampiasa fitaovam-pifamoivoizana. Ny 6 desambra 2023 no nampahafantatra farany ny minisiteran’ny fitaterana sy ny fampahafantarana ny toetry ny andro fa miverina indray ity fandaharana ity na eo anivon’ny televizionina nasionaly izany na eo anivon’ny pejy Facebook-n’ny minisitera saingy tsy fantatra mazava hoe isaky ny amin’ny firy ora na isaky ny inona? Najanona sahady ve ny tetikasa? Tena tsy misy fahafahana mamerina izany intsony tokoa ve, indrindra, amin’izao andron’ny fivoaran’ny tekinolojia izao? Tamin’izany fotoana aza nahavita tahaka ireny ka mainka moa fa 34 na 35 taona mahery aty aoriana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT