Fifamoivoizana

Fanavaozana ny RN2 Maharitra 2 ora ny fitohanana


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Mahatsiravina ireo mpampiasa lalana amin’iny lalam-pirenena faharoa iny ny fitohanana ateraky ny fanamboaran-dalana mihazo an’i Brickaville.

Ny talata teo, 17 kilaometatra tsy hidirana an’i Toamasina, no tena nahatonga lonilony ireo fiara marobe nitanjozotra nanomboka teo Brickaville hiditra ity renivohi-paritany ity satria dia in-droa niantoana ny fitohanana. Nanampy trotraka ny fisiana fiara kamiao be izay maty rehefa nafana loatra ny moterany vokatr’io dia tamin’ny 7 ora hariva vao nisava ny lalana, raha tamin’ny 5 ora hariva no efa nitohana. Ny vatokely amin’io ery an-tsisin-dalana no aparitak’ireo mpanamboatra lalana. Mba misy fanaraha-maso ve ny asa goavana hiankinan’ny ain’ny sarambabem-bahoaka toy itony ?

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT