FANAVAOZANA NY

FITATERANA AN-TANETY


  • Alarobia 04 Martsa 2026

Napetraka ny laharam-pahamehana sy ny tondrozotra

Tontosa tamin’ny fomba ofisialy.omaly Talata 03 Martsa ny laobary an-dasy ho fanatsarana ny sehatry ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara. Ny Minisiteran’ny Fitaterana no nitarika izany niaraka tamin''ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Nisy nandritra izany ny fifampidinihana mivantana momba ireo olana miantraika amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro ka anisan'ireny ny fahataran'ny famoahana carte grise sy permis. Teo koa ny tsy fandriampahalemana, ny lozam-pifampivoizana, ny kolikoly eny amin'ny lalam-pirenena, ny fitaterana tsy ara-dalana amin'ny zotra sasantsasany ary ny fahasarotan'ny rafitra ara-dalana sy ara-ketra. Miisa 22 ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ity fotoana ity ka anisan'izany ny fifanarahana fa hatao ny "recensement" sy ny "restructuration des textes réglementaires" ho an'ny koperativa. Hafainganina ny famoahana "carte grise" sy "permis", hampitomboina ny "Centre Immatriculateur" (efa nisokatra ny ao Antsirabe), ary haverina hiasa isam-paritra ny CRPC na "Comission de Retrait de Permis de Conduire". Hodinihina koa ny fampiharana "fonds d’urgence" amin’ny lafiny "assurance" sy ny fanafainganana ny PV rehefa misy loza. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny alalan’ny fanaovana "cartographie des risques" sy ny fametrahana politika manokana eo anivon’ny Ministera. Nohamafisina moa fa maimaim-poana ny fiampitana Bac eny amin'ny RN6, ary henjehina araka ny lalàna izay mandray vola tsy ara-dalàna. Hodinihina ny fangatahana 0 % ny hetra (taxe douanière)ho an’ny fiara fitateram-bahoaka vaovao.....Amin’ny ankapobeny dia napetraka ny fototra ho an'ny sehatry ny fitaterana an-tanety voalamina sy mangarahara kokoa no sady miantoka ny fiarovana sy ny kalitaon'ny tolotra ho an'ny mpampiasa. Tanjona ny hametrahana fitaterana an-tanety manara-penitra, mahomby ary tena manompo ny vahoaka. Ny fitaterana mantsy no andry hiankinan'ny fivezivezena, ny toe-karena ary ny Filaminam-bahoaka andavanandro.
Pati
Légende : Nandritra ny laobary an-dasy nataon'izy ireo omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT