Fifamoivoizana

Fanavaozana momba ny kaoperativa Hampivelatra ny tsena ny lalàna vaovao


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Lany tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa.

Anisan’ny fanavaozana entin’ity Volavolan-dalàna misy andininy 240 ity fahafahana manome mari-pamantarana ny vokatra tsirairay avy any amin’ny fokontany na kaominina niaviany ka ahazoan’ny kaoperativa mivarotra izany eto an-toerana na any ivelany. « Fantatsika fa zava-dehibe ny fisian'ny kaoperativa ivondronan'ireo mpamokatra any ifotony any. Ireny no mitambatra, no ahafahantsika miala amin'ny tsy fahampian'ny vokatra eto an-toerana. Raha mitombo ny vokatra dia hihena ny fanafarantsika entana avy any ivelany. Manana andraikitra lehibe amin'izany ny kaoperativa”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny famelabelarana fanolorana ilay volavolan-drijantenin-dalàna nanoloana ireo Solombavambahoaka. Efa nanao any ivelany ny fanomezana eo amin’ny vokatra avy hatrany ny toerana namokarana azy ka zatra an'iny avy hatrany ny mpanjifa. “Nahoana moa ny antsika no tsy mba azontsika aseho ny hoe: mangahazo avy any Ambatomanoina, ohatra fotsiny izany, na voatabian'i Mahitsy, kabaron'i Morondava, voanjon’Ambatofinandrahana”, hoy io minisitra io, notronin’ny mpikambana roa hafa ao amin’ny Governemanta. Nambara fa maro ny vokatra avy any ifotony any azontsika hakana mari-pamantarana amin'ny tena maha-natoraly azy na vokatra biolojika. Anisan’ny vokatsoa entin’ity Lalàna ity, noho izany, ny fampandrosoana ny mpiara-belona eny ifotony satria mantsy hanana ny fahafahana hivarotra ny vokatra na eto an-toerana na varotra ivelany izy ireo. Ka amin’izany dia afaka ihany koa misitraka ny “Certification “ samihafa ohatra “BIO”, “FAIRTRADE”, hoy ny fanazavana. Manodidina ny 3500 ankehitriny ny isan'ireo kaoperativa eto Madagasikara efa voarakitra ka heverina sy antenaina fa rehefa voahitsy ny lalàna dia hivelatra amin'ny sehatra goavana kokoa izy ireo, raha ny fanantenan’ny eo anivon’ny Minisitera mpiahy. Mbola handalo eny amin’ny Antenimierandoholona moa io volavolan-dalàna io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT