Fifamoivoizana

Fanavaozana lalana eto Iarivo Misy petatoko sy tsy manara-penitra


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Manomboka vitavita ireo lalana sasany eto Antananarivo mifanohy amin’ireo làlam-pirenena mivoaka ny renivohitra.

 

 

Misy orinasa maromaro nahazo ny tsenan’asa, ka misy ny manao ny asany araka ny tokony ho izy, fa miharihary ihany koa ny petatoko sy tsy fanarahana ny fenitra. Hahatarafana an’izany ny zava-misy amin’ny làlana ataon’ny Sinoa amin’iny Soanierana ampitan’ny gara iny. Zara raha vita, ary hita miharihary ny haratsin’ny asa satria toa tahaka ny « bombon voanjo » izay tokony mbola ampiana “dernière couche”, ohatra, saingy efa mijanona amin’izao raha ny fanadihadiana natao. Raha ny resaky ny olona teny amin’ny manodidina, izay nanontaniana momba ny fahitany ny kalitaon’ny asa aza, dia toa ny mpanara-maso avy amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy indray no nahazo loza nafindra toerana rahefa nanakiana izany. Ireny tokoa ve no nifanarahana tamin’ny mpamatsy vola sa misy fanodinkodinam-bola mandeha, ka akora tsy ampy no ampiasaina ? Tsy haharitra mihitsy ny fotodrafitrasa petatoko tahaka izany, ka mila hentitra sy manara-maso ny mpitondra. Mampahatsiahy ilay filoha tany aloha hoe: nasainy nohepahina ny asa efa vita ary naverina natao, toy ny tamin’iny làlana mihazo an’i Miandrivazo sy Morondava iny satria tsy arakaraka ny nifanarahana. Lojika raha naharitra tokoa ny asa tamin’izany, toa iny By Pass iny, izay efa 15 taona izao fa tsy ahitana fahasimbana kanefa ny làlana nataon’ny sinoa etsy Tsarasaotra-Ivato vao roa taona, dia efa potika noho ny haratsin’ny kalitao satria nisy volabe voahodinkodina tao, raha ny loharanom-baovao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT