Fifamoivoizana

Fanatsarana ny fitateram-bahoaka Hametraka politika mazava ny UCTU


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Mitohy hatrany ny ezaka tanterahin’ny fivondronan’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra na ny UCTU manoloana ny fanatsarana ny asa fitateram-bahoaka eto amintsika.

 

Ankoatra ny fanavaozana ny birao sy ny rafitra mba hifanaraka amin’ny filan’ny asa fitaterana dia hametraka planina sy politika mazava mikasika ny asa fitateram-bahoaka eto an-denivohitra ihany koa izy ireo. Hiarahany amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany, hoy Rakotonirina Jean Emile, filoha lefitry ny UCTU sady filohan’ny koperativa Tselatra. Tena sahirana ny mpandraharaha noho ny tsy fisian’ny fanampiana. Betsaka amin’izy ireo no maka vola any amin’ny banky mba hividianany fiarakodia ary mamerina izany ao anatin’ny  roa na telo taona…Olana anefa ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanafarana fiara maro  avy any ivelany hampanaovina  taksibe eto amintsika, antony manosika azy ireo hametraka io politika io. Efa eo am-pamolavolana ny « Plan de reforme et d’amélioration » izy ireo ankehitriny fa tsy hiandry fotsiny  ny minisitera sy ny kaominina. Ezahina hovitaina ao anatin’ny iray volana sy tapany ny hetsika satria ho tapitra amin’ny faran’ny taona ho avy izao sahady ny fotoana hiasan’ny birao teo aloha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT