Fifamoivoizana

Fanatsarana ny asa fitaterana Vonona hifampiraharaha amin’ny CUA ny UCTU


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny fivondronan’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra na ny UCTU omaly.

 Vonona hanatsara ny asa fitateram-bahoaka sahaniny  izy ireo manomboka izao  izay hifantoka amin’ny asa fanadiovana sy ny asa sosialy.  Lohalaharana amin’izany ny fanatsarana sy ny fikarakarana ny fiara ao anatin’ireo koperativa mpikambana rehetra ho fiarovana ny ain’ny mpandeha, vinavina nokasain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)  hampiharina amin’ireo fiarakaretsaka eto an-drenivohitra. Ankoatra izay dia hiroso amin’ny fiarovana ny fidiram-bolan’izy ireo ihany koa ny mpikambana  ka hametraka ilay antsoina hoe : “Securité des capitaux et d’investissement”. Olana mantsy raha handany volabe izy ireo  nefa hanafatra fiara  raitra sy marobe tampoka avy any ivelany mba  hanaovana taksibe ny fitondram-panjakana.Roa volana no naharetan’ny fifampiresahana ary manaiky ny UCTU fa atao eny amin’ny OMAVET ny “visite technique” izay iantsorohan’ny “Direction générale de la securité routière” eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana raha toa ka anjaran’ny kaominina koa ny miandraikitra ny “visite de conformité”.Mbola hisy ihany moa ny fihaonana eo amin’ny mpitatitra avy ao amin’ny UCTU sy ny tompon’andraikitry ny CUA mba handrindrana ny asa atao.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT