Fifamoivoizana

Fanasana fiara amin’ny sisin-dalana Tena manimba ny arabe


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Hanasazy ireo mpanasa fiara amoron-dalana tsy ara-dalàna rehetra ny kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka izao.

 

 

 

 

Anisan’ny antony iray lehibe manimba ny lalana eto amintsika mantsy ny rano haparitak’izy ireny etsy sy eroa nefa tsy mbola manana fahafahana ny hanamboatra izany ny kaominina hatreto. Tsy mbola nahazo ilay famatsiam-bola Fond d’entretien routier avy amin’ny fitondram-panjakana entina hanamboaran-dalana anefa izy ireo hatramin’ny nitondran’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, hoy ny kolonely Ramboasalama, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna. Voatery miaina amin’ny fanamboarana madinika izay azony atao ny kaominina. Eo an-danin’izay anefa dia tapitra mitaraina avokoa ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana, indrindra fa ny taksibe. Anisan’ny antony iray miteraka ny fitohanana eto an-drenivohitra ihany koa mantsy ny  fahasimban’ny  lalana ka tsy maintsy handray ny andraikiny ny kaominina.

 

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT