Fanarenana ny RNT31

Orinasa miisa 9 no namaly ny antso


  • Talata 19 Desambra 2023

Orinasa miisa 9 no namaly ny antso mikasika ny fanarenana ny

lalam-pirenena faha 31 na RNT31 mampitohy an’Ankazobetsiahy sy Bealanana ao amin’ny faritra Sofia, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Efa nijery ifotony ny toerana voafaritra ho arenina izay manana alavirana 101,5km moa ireo orinasa ireo, hoy ny voalaza. Ahitana tetezana miisa 28 izany ka ny 6 no mila harenina. Ny fanitarana ny lalana, ny fandalorana tara na “goudron”, ny fanamboarana toeram-pandanjana no ifantohan’ny asa. Amin’io janoary 2024 io kosa no fantatra ny orinasa tena hanatontosa ny asa, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT