Fifamoivoizana

Fanarenana ny RN31 sy RN10 Hamatsy 200 tapitrisa dolara ny banky iraisampirenena


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Ao anatin’ny tetikasa antsoina hoe « Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive » na fampiatiana an’i Madagasikara anaty fivoarana iombonana dia nanaiky hamatsy fanampiana mitentina 200 tapitrisa dolara ho

 fanarenana ny lalam-pirenena faha 31 sy faha 10 ny banky iraisampirenena. Tafiditra anatin’izay, raha ny fampitam-baovao voaray, ny lalam-pirenena tendrony atsimon’i Madagasikara mampitohy an’Andranovory, izay tanana anatin’ny lalam-pirenena faha 7 manamorona an’i Toliara miaraka amin’i Betioky, Ampanihy, Beloha, Tsihombe. Mbola misy 200 tapitrisa dolara hafa koa izay fanomezana ho fanohanana ny fampivoarana ny fahafahan’ireo tontolo ambanivohitra misitraka ireo tombontsoa ara-tsosialy sy toekarena. Ireo faritra heverina ho lavitra andriana toy ny any atsimo moa no tena voakasik’izy io, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT