Fifamoivoizana

Fanarenana ny Air Madagascar Atao ao anatin’ny 3 taona


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Indray andro monja taorian’ny nandanian’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagasikara azy ho filohan’izy ireo tamin’ny latsabato natao ny alakamisy 30 novambra teo ka nahazoany vato 7 tamin’ny mpifidy niisa 7

 

dia efa namory ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny Air Madagascar niaraka tamin’ny mpiara miombon’antoka, ny Air Austral  teny amin’ny centre “CDL” teny Mandrosoa Ivato  Atoa Eric Kholer nanolorany tamin’izy ireo ny Business Plan na ny drafi-pandaminana  ankapobeny hoenti-manarina an’ity orinasam-pitaterana  ana habakabaka Malagasy ity. Nambarany fa misy foto-kevitra miisa 7 ao anatiny ka ao anatin’ny 3 taona ny fanarenana atao, miainga amin’ny teboka miiba mankany amin’ny teboka aotra na zero. Tokony hiray hina amin’ny ankapobeny hahatanteraka izany ary nomarihany fa tsy hisy ny fanesorana mpiasa  . Mbola an’ny Firenena Malagasy ny petrabola be indrindra ao amin’ity orinasa ity izay mahatratra 51 % raha 49 % kosa ny an’ny Air Austral.

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT