Fifamoivoizana

Fanarahana lamina Mila hamafisina ny fanabeazana ny olom-pirenena


  • Talata 05 Mey 2020

Hihamafy ny fanaraha-maso ny olona tsy manao aro vava amin'ity herinandro ity ka izay tratra tsy manao izany dia voasazy hanao asa fanadiovana tapakandro manontolo.

 

 

 

 

Mbola maro anefa no minia tsy manaja ireo fepetra noraisina. Inona loatra ny mahazo ny Malagasy ankehitriny ka nahatonga izao fisainana sy toe-tsaina misy ankehitriny izao? Ny ankamaroan` ny Malagasy dia tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy intsony. Tsy hita intsony ny fifanajana ny an-tanan-tohatra eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy misy intsony ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina. Amin` izao ary moa ny ankizy indray no mibaiko ny ray aman-dreny ary manjaka ao an-tokantrano. Tsy misy intsony ny fifanajana ary very tanteraka ny soatoavina. Matoa mahavita izany ireo zandry, zanaka ireo, tsy ampy ny fanabeazana nomena azy. Izany no maha zava-dehibe ny fanabeazana olom-pirenena na eny amin` ny fiarahamonina na koa any an-tsekoly (education civique). Natao ambin-javatra ny mahakasika ny fahendrena sy ny fanabeazana ho olom-banona sy olo- manga ary ny soa rehetra. Tsy afa-bela amin` izany ny mpitondra fanjakana isan` ambaratongany. Mila manokana izany ny distrika, ny kaominina, ny fokontany. Ho sarotra ny fanarahana toromarika raha dieny izao tsy voataiza ny taranaka. Avy any ambony rahateo foana ny ohatra eo amin` ny fiainana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT