Fifamoivoizana

Fanarahamaso ny Taxibe Olona miisa 81 no tratra tsy nanao aron-tava


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Manoloana ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 dia misy hatrany ny hetsika manokana hataon’ny Polisim-pirenena

 

 

 

 eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary avaradrano. Omaly talata 13 aprily hatramin’ny 12 ora atoandro ohatra dia fiara fitateram-bahoaka « taxibe » miisa 159 no nanaovana fanaraha-maso manokana mahakasika ny fanajana ny ireo fepetra fiarovana sy ny fanaovana ny aron-tava na aro vava orona. Tao anatin’izany dia olona miisa 81 no tratra tsy nanaja ny fanaovana aro vava-orona. Raha ny teo anivon’ireo CSP miisa 08 sy ny PPA miisa 04 eto an-drenivohitra dia nahatratra 43 ireo nampanaovina asa iraisana ho an’ny tombontsoan’ny daholobe. Teo anivon’ny CSP Alasora dia miisa 12 izany. Teo anivon’ny kaomisaria afovoany Avaradrano kosa indray dia taxibe miisa 10 tamin’ireo izay nanaovana fanaraha-maso no nahitana olona nanao aro vava-orona. Nasaina namita ny asa iraisana ho an’ny tombotsoan’ny daholobe arak’izany ireo olona 10 tratra. Ny teo anivon’ny kaomisaria afovoany Atsimondrano kosa dia taxibe miisa 14 no nahitana olona 16 tsy nanao aro vava-orona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT