FANARAHA-MASO NY MOTO SY FIARA

Ho hentitra manomboka rahampitso zoma


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

fitaterana an-tanety sy ny foibe fitsarana fiarakodia mandritra ny faran’ny herinandro ho avy io izay hanamarihantsika ny Fetin’ny Pentekosta sy ny Alatsinain’ny Pentekosta. Ho hentitra araka izany ny fanaraha-maso ny kodiaran-droa sy ny fiara rehetra mivezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hanomboka rahampitso Zoma 17 May izany ka hatramin’ny Talata 21 May ho avy izao. Halana avy hatrany eo ambony familiana izay mpamily fantatra fa nisotro zava-pisotro misy alikaola diso tafahoatra, raha ny fanazavana azo omaly. Tsy hitsitsy ireo mpamily fiara ahiana hitera-doza ho an’ny olona entina na hifanena aminy ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Miantso ny rehetra mba hitandrina araka izany izy ireo hisorohana ny loza mety hitranga. Nomarihin’ny foibe fitsarana fiarakodia manokana moa fa hivoha izy ireo hatramin’ny Sabotsy ho avy izao hahafahan’ireo olona hikarakara antontan-tarasina fiara manatona mba hahaara-dalana izany.
Pati
Legende : Hiasa mafy tahaka izao indray ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT